top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Omeo Ahy ny Fahalalana Rehetra Hiatrehako ny Fadimbolako

Miatomboka izao ny volana Mai, andro vitsy sisa dia ho ankalazaina ilay andro manerantany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Raha izaho manokana aloha tsy mbola naheno izany mihitsy taloha, ny zavatra tsaroako raha vao resaka fadimbolana izany dia zavatra tena mahamenatra ary tsy firesaka. Efa olon-dehibe aho vao nandre fa kay misy ny 28 Mai, misy ny andro natokana hankalazana sy hiresahana ny fadimbolana.


Tsaroako tsara ny andro voalohany nahatongavan’ny fadimbolako, 14 taona aho tamin’izay ary kilasy 5ème tany amin’ny CEG. Tsy nianatra izahay fa andro alarobia hariva tamin’io fotoana io, tany am-pilalaovana aho no nahatsapa fa toa misy zavatra mando be ny any anaty silipoko. Nihazakazaka haingana tany an-trano aho namonjy efitrano mangina nisava izay tao anatiny tao. Akory ity fahatairaiko fa misy rà ny silipoko nefa aho tsy marary akory. Teo vao tsy hitako izay hataoko, nidobodoboka mafy ny foko, nangovitra ny vatako. Tena natahotra mafy aho satria tsy fantatro mihitsy izay nanjo ahy. Ahoana ny hilazako izany amin’i Mama nefa tsy haiko ny hanafina aminy izany?


Ny fara heriko dia nantsoiko mangingina izy nilazako fa misy rà ny silipoko. Voro-damba efa tsy nampiasaina intsony no nomeny ahy tamin’izay. Notapatapahinay mianaka tao, natao ohatran’ny “mouchoir” ireny dia natsofoka tao anaty silipo. Tsy nahazo fanazavana aho fa ny zavatra nampahatsiahiviny ahy dia ny hoe “tandremo tsara ny fitondran-tena, aza manaonao foana fa raha manaonao foana dia bevoka satria efa misy an’io rà mivoaka io”. Niafina foana aho rehefa manasa na manely ilay lamba satria na ny lamba nampiasana tamin’ny izany tsy ara-dalana ka mahamenatra ahy. Niferinaina foana aho isaky ny tonga fadimbolana sady tsy mba natoky tena mihitsy, natahotra sao fantan’ny namako hoe tonga fadimbolana.


Taty aoriana efa lasa Jeune Leader aho; teo amin’ny 25 taona teo vao tena nazava tsara tamiko ny mahakasika ny resaka fadimbolana tamin’ny fiofanana nomena anay.


Ny zavatra nibahana tato an-tsaiko dia ny hoe tsy misy zatovo vavy mendrika hiaina izany intsony, nahoana no tsy omena azy ny zony? Nahoana no tsy apahafantarina azy ny zava-mitranga? Nahoana mihitsy moa no tsy mba tohanana izy hiatrika izany?


Tamin’ireo kolejy telo niasako dia maro be ireo zatovo vavy no fantatro fa miaina toy izay niainako izay rehefa tonga ny fadimbolany. Ny sasany tamin’ireo ankizivavy ireo rehefa tonga io fotoana io dia tsy tonga any am-pianarana mihitsy, ny sasany indray mitokatokana tsy sahy mifangaro amin’ny ankizy namana fa voahilika. Zary lasa olana ny fahatongavan’ny fadimbolana satria tsy mahazo aina ny ankamaroan’ny ankizivavy. Raha ny hoe aza manaonao foana toy ny nolazaina ahy koa no haverina aminy dia zava-doza ihany satria tsy ho fantany akory ny dikan’izany. Lasa misy fiantraikany amin’ny fivelarany sy ny fandrosoany izany.


Nandritra io fotoana naha Jeune Leader ahy io dia nifanerasera akaiky tamin’ny zatovo maro be aho, nizara fahalalana, nanabe sy nanohana ary nametraka ny tenako ho toy ny zoky maodely azo itokisana sy alain-tahaka. Nampianatra azy ireo aho momba ny vatany sy ny zavatra rehetra hitranga aminy mandritra ny fotoana maha-zatovo azy mba hahafahany hanana ho avy tsara kokoa ary hiatrika izany am-pahasalamana tanteraka.


Tao anatin’izay dia tena nahafinaritra ahy ary tsy nataoko ambanin-javatra ny fanazavana ny lohahevitra momba ny fadimbolana, ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana sy ny fomba rehetra hatao hiatrehana izany. Namolavola azy ireo aho mba hiatrika am-pahatokisan-tena sy hahatsapa fa ny andro rehetra dia tsara avokoa, ary tsy tokony ho sakana amin’ny fiantrehana ny fiainana ny fotoana maha tonga ny fadimbolana. Na ny lahy na ny vavy dia nampianariko ny maha-zava-dehibe izany satria indray andro any, ho lasa Ray aman-dreny izy ireo dia hahay hampita izany amin’ny zanany.


Nahatsapa mantsy aho fa izaho mihitsy no tokony hanova ny tantara satria ireo zatovo ireo dia antenaiko handimby ahy indray any aoriana any; ka dia ho foana ny fametrahana hoe resa-pady na tsy firesaka io fadimbolana io. Amin’ny maha Jeune leader ahy eny anivon’ny sekolim-panjakana dia nanana tombony aho satria io no sehatra nahafahako manampy ireo zatovo hahafantatra sy hiomana mialoha ny fiantrehana ny fadimbolana.


Ankehitriny dia faly aho satria efa maro ireo Jeune Leader manatanteraka izany eny amin’ny sekolim-panjakana maro. Ny Ray aman-dReny koa dia efa mahazo fiofanana manokana avy amin’ireo Jeune Leader mba hanana fahatokisan-tena hiresaka tsy hihambahamba amin’ny zanany mba hahafeno tsara ny fanabeazana atolotra.


Mino aho fa ankehitriny dia ho foana ireo zatovo vavy hiaina toy ny niainako satria efa misy ny Projet Jeune Leader. Izany indrindra no ankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, hanamafisana ny ezaka atao amin’ny fanabeazana hahatonga ny zatovovavy rehetra hatoky tena sy hiatrika am-pahasalamana ny fadimbolana.




bottom of page