top of page
pjl_logo_rgb_FINAL.png
An engaged classroom scene in Madagascar where a Projet Jeune Leader Educator in a black shirt is standing in front of a blank blackboard. Students in blue uniforms are actively participating by raising their hands enthusiastically. The room is furnished with wooden desks and benches.

Ny zatovo Malagasy tsirairay, olom-banona

Ny antom-pisian’ny Projet Jeune Leader

Manaparitaka ny fanabeazana maha olom-banona ny Projet Jeune Leader mba hananan’ny zatovo fahalalana, fahaiza-manao, ary tohana ilainy amin’ny fiainany.

Ny ataonay

Manofana sy manohana Mpanabe voatokana hitondra ny fanabeazana maha olom-banona novolavolain’ny Projet Jeune Leader sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.

Mampiroborobo ny fiaraha-mientana eny ifotony sy nasionaly ho an'ny fanabeazana maha olom-banona.

Mitrandraka sy manasongadina ireo vokatra sy ny mety ho fiantraikan'ny fanabeazana maha olom-banona.

Andrainjato_9134_Projet Jeune Leader.JPG

Zatovo maherin’ny

138 129

eto Madagasikara no mahazo ny fandaharana “Jeune Leader” eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa tamin’ity taona 2024-2025.

Miara miasa amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa miisa 

567

Ny fandaharan’asa fototra

Ireo Mpanabe matihanina dia manolotra fahalalana sy fahaiza-manao ary tohana ilain’ny zatovo mba ho salama, handray fanapahan-kevitra tsara ary ho tompon’andraikitra eo amin’ny fiainany.

Ankaramena_8426_Projet Jeune Leader_edit

Manabe mahakasika ireo fahaiza-manao enti-miatrika ny fiainana (ohatra: ny fahaiza-mihaino, ny fifandraisana voalanjalanja, ny fahaiza-manapa-kevitra voadinika, ny fahatokisan-tena,…)

Antsoantany_8908_Projet Jeune Leader.JPG

Manome torolalana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra sy manao fanoroana momba ny tolotra sy servisy ilain'ny zatovo.

Alakamisy Ambohimaha_5718_Projet Jeune Leader.JPG

Mitarika fifampizarana iarahana amin'ny Ray aman-dReny mba hanohanana ny zatovo sy ny fitomboany.

Ny mikasika ny Projet Jeune Leader

TANTARA

Ny ONG Projet Jeune Leader dia fikambanana tsy miankina niforona ny taona 2013 tao Fianarantsoa. Tamin’izany fotoana izany dia niasa tamina sekolim-panjakana ambaratonga faharoa efatra monja tao an-toerana izahay. Ankehitriny dia mahatratra 567 ireo sekoly mpiara-miasa, miparitaka amin’ny faritra enina ambin’ny folo eto Madagasikara. Ny ankamaroan’ireo sekoly mpiara-miasa ireo dia any ambanivohitra avokoa.

Te hahafantatra bebe kokoa momba anay, ny lalana nodiavinay sy ireo zava-bitanay ve ianao?

20260128_131045.jpg

EKIPA

Mampirehareha anay ny milaza fa fikambanana naorina tanora izahay, ary tarihina vehivavy. Maro amin’ireo ekipa no miasa eo anivon’ny birao amin’ny faritra telo izay misy anay : Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa

MPIARA-MIASA

Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny Projet Jeune Leader mba hampandrosoana haingana ny programa mahakasika ny fanabeazana maha-olom-banona. 


Tena manan-danja aminay ny fiaraha-miasa amin’ireo rehetra eny anivon’ny fiaraha-monina, anisan’izany ny mpianatra, ny Ray aman-dReny, ary ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny sekoly indrindra ny talen-tsekoly. Inoanay fa zava-dehibe ny fihainoana ny hevitr’izy ireo sy ny fandraisan’izy ireo anjara amin'ny fampiroboroboana ny fanabeazana maha olom-banona.

Amin’izao fotoana izao dia manitatra ny fiaraha-miasanay any amin’ny sehatra isan-karazany izahay mba hanatratrarana ilay vina hoe: “ Ny zatovo tsirairay, olom-banona” 

IMG_3406.JPG
Publication linkedIn 3eme trimstre (1).png

Fampidirana ny fanabeazana maha

olom-banona ao amin’ny rafi-pampianarana Malagasy

Fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana tsy miankina.

Miara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izahay ka manofana mpampianatra mba hahafahan’izy ireo mitondra ny fanabeazana maha olom-banona eny amin’ny CEG sy eny amin’ny sekoly tsy miankina.   

Miara-miasa amin’ny Firaisamonim-pirenena izahay mba hahafahana manaparitaka ny fanabeazana maha olom-banona amin’ireo zatovo ao amin’ny fikambanan’izy ireo.

Misoratra ho fikambanana tsy mitady tombony eto Madagasikara ny Projet Jeune Leader, ary manana birao ao Antsirabe, Antananarivo ary Fianarantsoa.

bottom of page