top of page

“Tena tiany izahay.”: Ny fifandraisan’ireo mpianatra amin’ny Mpanabe Jeune Leader

  • Photo du rédacteur: Tahina Ramarolahy
    Tahina Ramarolahy
  • il y a 3 heures
  • 3 min de lecture

Tadidinao ve hoe inona no tsapanao rehefa sariaka sy mora hatonina ny mpampianatra iray teny amin’ny kolejy? Tsy andrinao mihitsy angamba ny hahatongavan’ny fotoana manaraka hidirany ao amin’ny kilasy misy anao. Tsy hitahita koa ny fandehan’ny fotoana rehefa izy no mampianatra, satrinao ho eo foana.


Taorian’ny fiofanan’ireo mpampianatra manerana an’i Madagasikara ho lasa mpanabe Jeune Leader, dia hita sy tsapa fa vonona avy hatrany izy ireo ho lasa mpanabe mahafinaritra, mora hatonina ary modely ho an’ny mpianatra. Ka nandeha nihaona tamina mpianatra manaraka ny taranja Jeune Leader tany amin’ny CEG miisa 20 any amin’ny faritra telo eto Madagasikara izahay mba hahafantarana izany. Tianay ho hita mantsy hoe ahoana no nataon’ireo Mpanabe Jeune Leader mba hanovana ny rivo-piainana ao an-dakilasy ary manao ahoana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny mpianatra.


Nisy tamin’ny ekipanay nihazo ny faritra Androy, any amin’ny tapany atsimo. Tao indray ireo ekipa nitanjozotra namonjy ny faritra Vatovavy, any atsinanana. Tao kosa ireo nihazo ny faritra Vakinankaratra, eo afovoan-tany. 


Lafiny telo tena manan-danja no hitanay miverimberina mahakasika ny fomba fijerin’ireo mpianatra ny Mpanabe Jeune Leader :


Mahay mifandray amin’ny mpianatra amin’ny fomba voalanjalanja sy feno fanajana :


Araky ny nolazain’ny mpianatra tany amin’ireo faritra telo, miezaka ny hahatakatra foana izay tsapan’ny mpianatra sy mampiasa teny sy fihetsika voalanjalanja ny Mpanabe Jeune Leader an’izy ireo. 

 

Nilaza ny mpianatra avy any amin’ny faritra Vatovavy fa “tsy mba mitratrevatreva ny Mpanabe Jeune Leader na dia misy mpianatra manao zavatra tsy dia mety aza, … miteny am-panajana foana kosa izy.” 


Ny  mpianatra avy ao Vakinankaratra indray dia nanazava fa “Tsy mba mamingavinga mpianatra ny Mpanabe Jeune Leader. Hainy tsara ny miara-miaina amin’ny mpianatra...Mahay maka ny fon’ny mpianatra.” 


Tsotra nefa manan-danja ny fanazavana nomen’ny mpianatra tany Androy: “Tsara ny toetran’ny Mpanabe Jeune Leader.”



Sariaka sy mora hatonina:


Maro ny mpianatra no nanambara fa miezaka ho faly, hitsiky sady ho sariaka ny Mpanabe Jeune Leader na mandritra ny taranja Jeune Leader, na rehefa mifandray amin’ny mpianatra tsirairay. 


Nilaza toy izao ny mpianatra avy ao amin’ny CEG ao amin’ny faritra Vakinankaratra hoe : “Falifaly foana ny Mpanabe Jeune Leader ary tsy mba mora tezitra. Sariaka izy rehefa miaraka amin’ny mpianatra, mahafinaritra, mahay mampifalifaly.” Tany Vatovavy indray dia niteny ny mpianatra fa “Tsara be ny miaraka aminy sady tsotra, tia manao hira.”


“Mahafinaritra ny miresaka amin’ny Mpanabe Jeune Leader,” hoy ny mpianatra iray tany Vatovavy. “Tena raisiny hoatran’ny zanany daholo izahay.” Mpianatra hafa tany Vatovavy no nanamafy fa “Tsy sarotra iresahana ny Mpanabe JL, tsy sarotiny be izy amin’ny zavatra anontaniana azy.”


Hoentiny amin’ny fomba mitovy ny rehetra :


Na taiza na taiza amin'ireo faritra telo notsidihana ireo, ny henon’ny ekipanay imbetsaka indrindra avy amin’ny mpianatra dia hoe mitondra amin'ny fomba mitovy ny rehetra sady manome lanja ny hevitry ny tsirairay ny Mpanabe JL.


Nilaza toy izao ny mpianatra avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra mahakasika ny Mpanabe JL : “Rehefa manazava lesona izy dia manontany ny hevitry ny mpianatra foana. Mahay maka hevitra amin’ny mpianatra izy.” 


Mariho koa ange ny tenin’ny mpianatra avy amin’ny Ivato, faritra Vatovavy e : “Tsy mba manavaka mihintsy ny Mpanabe hoe ny 3ème ihany no tena hakaikeziko satria hanao BEPC, na hoe ny 6ème ihany satria mbola mpianatra vaovao. Ampitoviany avokoa ny rehetra.” 


Hita fa tsapan’ny mpianatra hoe manan-danja amin’ny Mpanabe Jeune Leader izy ireo:


“Tiany ny mpianany.” (Vakinankaratra)


“Tena tiany izahay.” (Androy)



Miavaka, mahafinaritra sady mafy orina tokoa ny fifandraisan’ireo mpianatra amin’ny Mpanabe Jeune Leader. Tsy Mpanabe fotsiny ny Mpanabe Jeune Leader amin’izy ireo fa zoky, namana ary olon-dehibe azo itokisana. Tsapa izany rehefa avy nihaino an’ireo mpianatra tany Atsinanana, Androy ary Vakinankaratra ireo izahay. 


Mitovy amin’ilay tsapanao mihitsy teny amin’ny kolejy rehefa sariaka sy mora hatonina ny mpampianatra iray no tsapan’ny mpianatra amin’ny Mpanabe Jeune Leader azy ireo.


“Mahafinaritra be izy ka na dia mirava amin’ny 12ora atoandro aza dia ohatran’ny malaky ny amin’ny 12ora atoandro” hoy ny mpianatra iray avy any Vatovavy izay. 


Tena mitondra voka-tsoa lehibe izany satria mazoto kokoa ny mpianatra handeha ho any am-pianarana. Manana namana azo itokisana sy vonon-kihaino azo angatahina torolalana ihany koa izy. Ary indrindra, mora kokoa aminy ny mandray an’ireo fahalalana sy fanabeazana omen’ny Mpanabe Jeune Leader mandritra ny cours JL, izay hanampy azy hiatrika ny fiainana maha-zatovo azy sady ho lasa olom-banona.



bottom of page