top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Chrys sy Projet Jeune Leader, milofo hanampy ireo tanora

Nandritra izay 8 taona nijoroan’ny tetik’asa Projet Jeune Leader izay dia mihoatra ny 170 ireo tanora voafantina nahazo ny fiofanana ho lasa “Jeune Leader”.


Niparitaka manerana ny kolejy rehetra mpiara-miasa izy ireo, nanabe sy nizara fahalalana ary hanoro ny lalana tsara indrindra ho an’ny zatovo.


Nandeha nanovo fahalalana hafa indray, nanohy fianarana, nijery fahaiza-manao hafa ny ankamaroan’ireo tanora “Jeune Leader” ireo rehefa nahavita nanabe ny tanora nandritra ny taom-pianarana. Misy koa ireo nisafidy hanohy hatrany ny dia.


Isan’ireo latsa-pitiavana tanteraka tamin’ny asa fanasoavana ny zatovo i SITRAKINIAINA Chrystian Vincent na i Chrys; ka vonona hanohy hatrany ny dia.


Jeune Leader izy tamin’ny 2013, anisan’ireo tanora 8 nofanin’ny tetik’asa Projet Jeune Leader voalohany tany Fianarantsoa.



Hoy izy mitantara ny niainany izany:


“Ny promotion 1ère année aloha no asiako resaka, tamin’ izany tena vao nanomboka ny Projet, tena mbola niaina tamin’ izay teo an-tanana, mbola vaovao ilay izy na teo amin’ny ankizy na teo amin’ny fiaraha-monina, […] Tena tsapako tamin’izany fa tena ao anatin’ny sehatra mihitsy aho ary tena nanome ny tsara avy taty aminay daholo izahay 8 mianadahy hahatsara sy hampahomby ny Projet, indrindra mba tena hisy fiatraikany mivantana amin’ireo ankizy ny zavatra entinay.”



Nataony am-pitiavana daholo ny asa rehetra nampanaovina azy, ary nanomboka teo dia tsy nitsahatra ny nivoatra hatrany izy tamin’ny andraikitra rehetra nomena azy. Zavatra telo no nanainga ny firehetam-pony, ka hoy izy nitantara:


“Ny fitiavako ny tanora Malagasy ho tody amin’ny tanjona irina; eo koa ny fitiavako ny asa misehatra amin’ny tanora sy hitondra fampivoarana ho azy ireo. Ary farany dia te hanome endrika tsara ho an’ny tanora aho amin’ny lafin’ny fandraisana andraikitra izay napetraka tamiko.”


Miavaka tokoa raha i Chrys satria dia mifandray tanteraka amin’ny tanjon’ny tetik’asa ny faniriany.


Herintaona taorian’ny naha Jeune Leader azy dia lasa mpitarika tato amin’ny tetik’asa izy: nanofana ireo tanora handimby azy hiasa eny amin’ny sekoly, nizara traikefa, nampita ny fahaiza-manao, nampitombo ny faharisihan’ireo tanora ireo hanatanteraka ny andraikitra ho sahaniny.



Nanohana ireo Jeunes Leaders izy, nanara-maso akaiky ny sahan’asa rehetra ary nanampy tamin’ny fandrindrana izany mba tena ho tafapaka any amin’ny zatovo mpisitraka ny tolotra omena, ary mba hamaly ny hetahetan’izy ireo.


Tsy nijanona tamin’izay ihany i Chrys; fa anisan’ireo nandray anjara mavitrika namolavola atrik’asa momba ny fiofanana ho an’ireo Ray aman-dreny amin’ny fanamorana ny fitaizana ny zatovo.



Ankehitriny dia Responsable Technique Régional ao amin’ny faritra Amoron’i Mania izy. Mitantana sy manohana ny asan'ireo Jeunes Leaders manerana ny sekoly 10 mpiara-miasa ao amin’io faritra io. Sehatra tiany indrindra izany satria afaka mifanerasera akaiky kokoa amin’ireo tanora mpianatra zandriny izy.


“Ny asako dia tena hoe mijery sy midina eny ankianja mihitsy, misahana mivantana ireo fitondrana fampivoarana sy tohana hoan’ireo mpisitraka mivantana ny tetik’asa, tena mifandray mivantana amin’izy ireo.”


Miezaka mafy hatrany izy ho an’ny zatovo Malagasy, nahafoy fotoana sy nahafoy hery, mba hananan’ireo tanora ho avy mamiratra. Ankehitriny, tonga amin’ny andraikitra ahafahany manatanteraka izany izy, ary finaritra ery maka sary an-tsaina ny hoavin’ny tanora Malagasy:


“Manantena aho fa ireo mpisitraka ireo no tena ho modely eny amin’ny fiaraha-monina misy azy, hitondra fampivoarana ny manodidina azy ary indrindra hahatratra izay tanjona napetrany amin’ny fiainany. Ka rehefa rahatrizay ka manana tokantrano izy dia hitaiza ny zanany amin’ny fomba mendrika ary hiampita hatrany hatrany izany.”



bottom of page