top of page
pjl_logo_rgb_FINAL.png
An engaged classroom scene in Madagascar where a Projet Jeune Leader Educator in a black shirt is standing in front of a blank blackboard. Students in blue uniforms are actively participating by raising their hands enthusiastically. The room is furnished with wooden desks and benches.

Ny zatovo Malagasy tsirairay, olom-banona

Ny antom-pisian’ny Projet Jeune Leader

Manaparitaka ny fanabeazana maha olom-banona ny Projet Jeune Leader mba hananan’ny zatovo fahalalana, fahaiza-manao, ary tohana ilainy amin’ny fiainany.

Ny ataonay

Manofana sy manohana Mpanabe voatokana hitondra ny fanabeazana maha olom-banona novolavolain’ny Projet Jeune Leader sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.

Mampiroborobo ny fiaraha-mientana eny ifotony sy nasionaly ho an'ny fanabeazana maha olom-banona.

Mitrandraka sy manasongadina ireo vokatra sy ny mety ho fiantraikan'ny fanabeazana maha olom-banona.

Andrainjato_9134_Projet Jeune Leader.JPG

Zatovo maherin’ny

50.000+

eto Madagasikara no mahazo ny fandaharana “Jeune Leader” eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa tamin’ity taona ity.

Miara miasa amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa miisa 

148

ao Amoron’i Mania, Haute Matsiatra ary Vakinankaratra.

Ny fandaharan’asa fototra

Ireo Mpanabe matihanina dia manolotra fahalalana sy fahaiza-manao ary tohana ilain’ny zatovo mba ho salama, handray fanapahan-kevitra tsara ary ho tompon’andraikitra eo amin’ny fiainany.

Ankaramena_8426_Projet Jeune Leader_edit

Manabe mahakasika ireo fahaiza-manao enti-miatrika ny fiainana (ohatra: ny fahaiza-mihaino, ny fifandraisana voalanjalanja, ny fahaiza-manapa-kevitra voadinika, ny fahatokisan-tena,…)

Antsoantany_8908_Projet Jeune Leader.JPG

Manome torolalana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra sy manao fanoroana momba ny tolotra sy servisy ilain'ny zatovo.

Alakamisy Ambohimaha_5718_Projet Jeune Leader.JPG

Mitarika fifampizarana iarahana amin'ny Ray aman-dReny mba hanohanana ny zatovo sy ny fitomboany.

Ny mikasika ny Projet Jeune Leader

TANTARA

Ny ONG Projet Jeune Leader dia fikambanana tsy miankina niforona ny taona 2013 tao Fianarantsoa. Tamin’izany fotoana izany dia niasa tamin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa efatra monja tao an-toerana izahay. Ankehitriny dia mahatratra 148 ireo sekoly mpiara-miasa, miparitaka amin’ny faritra telo eto Madagasikara. Ny ankamaroan’ireo sekoly mpiara-miasa ireo dia any ambanivohitra avokoa.

EKIPA

Mampirehareha anay ny milaza fa fikambanana naorina tanora izahay, ary tarihina vehivavy. Maro amin’ireo ekipa no miasa eo anivon’ny birao amin’ny faritra telo izay misy anay : Amoron’i Mania, Haute Matsiatra ary Vakinakaratra

Projet Jeune Leader Team Photo 2023_edit
MPIARA-MIASA

Miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny Projet Jeune Leader mba hampandrosoana haingana ny programa mahakasika ny fanabeazana maha-olom-banona. 
Izany fiaraha-miasa izany dia hita amin’ny ambaratonga rehetra: hatreny ifotony, ny distrika, ny faritra ary hatrany amin'ny nasionaly. 


Tena manan-danja aminay ny fiaraha-mientan’ireo rehetra eny anivon’ny fiaraha-monina, isan’izany ny mpianatra, ny Ray aman-dReny, ary ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny sekoly indrindra ny talen-tsekoly. Inoanay fa zava-dehibe ny fihainoana ny heviny sy ny fandraisany anjara amin'ny fampiroboroboana ny fanabeazana maha olom-banona.

Misoratra ho fikambanana tsy mitady tombony eto Madagasikara ny Projet Jeune Leader, ary manana birao ao Antsirabe, Ambositra ary Fianarantsoa.

bottom of page