top of page
  • Writer's pictureProjet Jeune Leader

Fandavatena, fitiavana sy fanajana ny asa: Mendrim-pisaorana ianareo ry Jeunes Leaders 2019-2020!

“Hatramin'ny nampisy ny JL dia milamina ny saiko sady mampahay anay ary mampandray anjara kokoa eo amin'ny fianarana." -Mpianatra, CEG Mahasoabe

Tsy mampino indraindray hoe tanora mpanabe – ireo atao hoe « Jeunes Leaders » - 7 monja no nanomboka ny asa nataon’ny Projet Jeune Leader tany amin’ny CEG, tamin’ny taona 2013.

Dimy taona aty aoriana, mahatratra 41 ireo « Jeunes Leaders », ary tena ekipa matanjaka sy mavitrika tokoa no voarafitra. Ankehitriny dia miparitaka amin’ny Sekolim-panjakana maro amin’ny Faritra 3 eto Madagasikata ireo tanora Mpanabe nofanin’ny Projet Jeune Leader.


Hatrany ampiandohana, dia niezaka hatrany izahay namolavola toerana sy fomba iray; hahafahan’ny tanora: mahazo fiofanana sy asa eny amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo, mampita fahalalana sy fomba fiaina tsara kokoa mikasika ny fanabeazana sy ny fiainana ny maha-tanora, ary mampita fijery sy fomba miralenta amin’ireo tanora zandrin’izy ireo.


Rehefa nampiasa, nanofana, nanome fitaovana sy nanoro ary nanarama ireo « Jeunes Leaders » ireo, araka ny maha Mpanabe matianina azy ireo izahay, dia afaka milaza marina fa nanome fanabeazana feno amin’ny fananahana izay tena avo lenta.


Nanome ny azonay nomena rehetra an’ireo Mpanabe ireo izahay, ary nody ventiny ny rano natsakaina. Tsy vitan’ny hoe nampianatra fotsiny ny ankizy sy mpianatra izy ireo, fa tonga zoky, mpanoro hevitra, mpanaitra sy mpamporisika, mpampifandray amin’ny sehatry ny fahasalamana, olon-tsahala, afaka izarana ireo tsiambaratelo, ary tena modely mihitsy aza. Nampitombo ny fifankazahoana, fifandeferana sy fandraisana andraikitr’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly niasany tsirairay avy ireo “Jeunes Leaders” ireo.


Toy ny hita manerantany nefa amin’izao areti-mandringana izao, dia tapaka koa ny taom-pianaran’ireo mpianatra eto Madagasikara amin’ity 2019-2020 ity, ary mbola manjavozavo hatreto ny mety hiseho ao aoriana ao.

Na dia izany aza nefa, fantatray ary mahafaly anay ny mahita fa nampita fahalalana mikasika ny fahasalamana sy zo ara-pananahan’ny tanora amin’ny mpianatra miisa 16 299 ireo « Jeunes Leaders » 41 mianadahy ireo, nanomboka ny volana Novambra 2019.

Koa fisaorana mitafotafo no atolotray ireo Mpanabe « Jeunes Leaders » tato amin’ny Projet Jeune Leader tamin’ity taom-pianarana 2019-2020 ity amin’ny asa tsara sy mafy, fandavatena sy fahazotona nasehonareo nandritry ny taona.


Na dia malahelo fatratra aza izahay ny manao veloma anareo sahady, dia faly kosa mankasitraka ny nataonareo rehetra ho an’ny tanora Malagasy, indrindra ny fanampiana azy hamakivaky sy hihoatra ny sedra rehetra atrehiny amin’ny fialantsakana sy ny fahatanorana. Matoky izahay fa nanampy azy ireo hanorina hoavy mamiratra ny torohevitra sy lesona rehetra avy aminareo, ka ho tanora salama sy mpitarika feno no hanorina hoavy tsara ho an’i Madagasikara na ianareo mpanabe na ireo mpianatra nobeazina.


bottom of page