top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Rahery: Mpamily ato amin'ny fianakaviana PJL, fa tsy izay ihany



Rahery dia mpikirakira ny resaka fiara sy ny fitondrana fiara ato amin’ny tetik’asa Projet Jeune Leader nanomboka ny taona 2017. Tsy misy tsy mahalala azy raha vao mpianatra eny amin’ny CEG mpiara-miasa, olona tia tsikitsiky sady tsotra Rahery. Eo am-piandrasana ireo Staff ato amin’ny PJL mitsidika ny sekoly mpiara-miasa, dia mazàna tazana milalao baolina basket na kitra miaraka amin’ny mpianatra eny an-tokontany eny izy!


Vonona foana rehefa misy zavatra atao, mahay miara-miasa sy mifandray amin’ny olona rehetra ihany koa izy ary izay no tena mampiavaka azy. Ny fitondrana fiara no tena talentany saingy rehefa misy ekipa hitany hoe sahirana dia manana fandava-tena izy manampy rehefa misy azony anampiana.


Inona daholo ny zavatra ataonao amin’io andraikitrao io ?


Ny voalohany aloha dia ny fitondrana fiara no tena ataoko, dia mikarakara ny mandinidinika ny rehetra momba ny fiara. Ao anatin’izay dia manatitra ireo ekipa amin’ny fivezivezena eto an-toerana; toy fiantsenana ireo fitaovana ilaina hampandehanana ny asa sy fanaterana na fakana ireo taratasy isan-karazany eny amin’ny birao samy hafa. Eo koa ny fitondrana ireo ekipa mitety ireo sekoly mpiara-miasa na any ambanivohitra izany na ny aty an-drenivohitra.


Inona no nahatonga anao hisafidy hiasa ato amin’ny Projet Jeune Leader?


Ny fandraisako anjara amin’ny fampandrosoana aloha voalohany indrindra; dia rehefa tena hoe niasa koa dia nankafy amin’izay. Hitako koa hoe ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa, ny tanjona iraisan’ny Projet Jeune Leader mantsy dia ny hoe fitaratra amin’ny lafiny rehetra ny mpitarika dia nentiko nanova ny fitondra-tena sy ny fahazarana koa izay ho any amin’ny tsaratsara kokoa.


Inona no zavatra miavaka nahafinaritra anao indrindra tato amin’ny Projet Jeune Leader ?


Nahafinaritra ahy daholo ny zavatra rehetra niarahako tamin’ny ekipan’ny Projet Jeune Leader nandritra izay efatra taona niasako izay. Ny fiarahana sy ny fifandraisanay ekipa rehetra koa dia anisan’ny ankafiziko manokana, na dia eo aza ny antana-tohatra isan-karazany dia tsy natao ho sakana nampifandray toy ny fianakaviambe izany. Ankoatra izay dia nanamarika ahy koa ny fitsidihana sekoly iray tany Ambohibary Sambaina. Tamin’io fotoana io dia nisy fahasimbana ny fiara ary dia tratra hariva tany izahay niaraka amin’ny ekipa vitsivitsy; tsy nahatsapa ho irery aho amin’ny maha mpamily ahy fa nanohana ahy teo ireo ekipa nitady ny fomba rehetra hamahana ny olana.


Inona no antenainao ho an’ny Projet Jeune Leader amin’ny ho avy?


Ny antenaiko dia ny hiroboroboan’ny tetik’asa manerana an’i Madagasikara, izany hoe ny tanora rehetra dia afaka hisitraka ny asan’ny Projet Jeune Leader avokoa. Mba ho maro ireo tanora hahay hitondra-tena sy hanana ho avy mamiratra ary ho tody amin’ny tanjona kasaina.


Inona no hafatrao ary e!


Ny hafatro dia hoe jereo amin’ny lafitsara ny zavatra rehetra, araho tsikitsiky satria ny asa atao am-pifaliana dia vita toy ny tsy natao. Raha te ho tanora lalan-dava dia manaova toa ahy.


Rahery miaraka amin’ny Jeunes Leaders tany ambanivohitra ny taona 2018.

Rahery manampy ny ekipan’ny PJL mizara “serviettes hygièniques réutilisables” hoan’ny mpianatra ao amin’ny CEG Mahatsinjony ny taona 2019.



bottom of page