top of page

Jery todika ny taom-pianarana lasa : Taom-pianarana voalohany niarahana niasa tamina mpampianatra maherin’ny 500 isa

Writer: Tahina Ramarolahy
Tahina Ramarolahy
11 minutes ago
4 min read

Nandritra ny taona vitsivitsy lasa izay, CEG manodidina ny 150 eo ho eo tany amin’ny faritra miisa 3 teto Madagasikara no nisy ny fanabeazana maha olom-banona (cours JL). Ary zatovo mpianatra manodidina ny 50.000 eo ho eo no nahazo azy io.


Nanomboka tamin’ny taom-pianarana lasa teo anefa dia niditra tamin’ny dingana goavana kokoa isika. CEG manodidina ny 558 isa any amin’ny faritra 15 manerana an’i Madagasikara no anaparitahana ny fanabeazana maha olom-banona. Zatovo mpianatra manodidina ny 136 764 isa no omena ny fanabeazana maha olom-banona.


Ary tena fifaliana sy reheraha ho antsika ny nahavitana izany dingana lehibe izany.


Anisan’ny tena manan-danja mampirehareha antsika ihany koa anefa ny zava-bitan’ireo mpampianatra, izay vao voalohany no niantsoroka ny andraikitra maha Mpanabe JL - Mpanabe mitondra ny fanabeazana maha olom-banona.


Andao fa hozarain’izy ireo amintsika ny niainan’izy ireo an’iny taom-pianarana iny. Andao hojerentsika ireo teboka manan-danja tena nasongadin’izy ireo.


Nahatsapa fiovana teo amin’ny tenany ireo Mpanabe : Lasa olom-banona sy modely kokoa izy ireo.


Io no hevitra anisan’ny niverimberina indrindra navoakan’ireo Mpanabe. Tena mitondra fifaliana ny mahita hoe tsy mijanona eo amin’ny zatovo ihany ilay vinantsika hoe “Ny zatovo tsirairay olom-banona” fa miainga hatrany amin’ny Mpanabe mihintsy 


Toy izao no nolazain’ny Mpanabe iray avy any amin’ny Faritra Menabe : “Lasa nahay nifandray sy nifanerasera tamin'ny olona aho ary nanova ny toetrako mihitsy ilay fanabeazana maha olom-banona.”


Ny Mpanabe iray avy any Faritra Androy indray nilaza hoe : “Be dia be ny zava-tsoa azoko nandritra iny taom-pianarana lasa iny satria lasa olom-banona aho na ara-pitafy izany na ara-pitondran-tena."


Fanabeazana tsy misy herisetra : Tsy mampiasa sazy ara-batana intsony


Saika ny Mpanabe avy any amin’ny faritra rehetra mihintsy no nilaza fa anisan’ny zavatra nianarany rehefa lasa Mpanabe JL, ny fanabeazana tsy mampiasa herisetra na sazy ara-batana.


Hoy ny Mpanabe iray avy ao amin’ny faritra Sofia hoe: “Lasa tsy tia manome sazy ho an'ireo mpianatra aho.”


Ny Mpanabe iray avy ao Faritra Androy indray nilaza hoe “tena nianatra momba ny fandraisana mpianatra aho nandritra ny fiofanana ho lasa Mpanabe. Tsy manome sazy mampihatra herisetra amin'ny mpianatra intsony aho nanomboka tamin’iny taom-pianarana lasa iny.”


Nilaza ny Mpanabe iray avy ao amin’ny Faritra Menabe hoe “nianatra fifehezana ny mpianatra amin'ny fomba tsotra tsy misy sazy izy.”


Fifandraisana voalanjalanja


Fahaiza-manao nisongadina naverimberin’ireo Mpanabe koa ny fifandraisana voalanjalanja. Nampiasa an’io fifandraisana voalanjalanja io  izy ireo na tamin’ny mpianatra, na tamin’ny ray aman-dreny ary tamin’ny mpiara-miasa. Ny fifandraisana voalanjalanja dia fahaiza-manao tena antitraterina mandritra ny fiofanana ho lasa Mpanabe. Sady fahaiza-manao tena ilaina eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fahaiza-mitarika izy io, no fahaiza-manao iezahina hananan’ny mpianatra.


Nilaza ny Mpanabe iray avy ao amin’ny faritra Amoron’i Mania i hoe: “Lasa tia mifandray amin'ny olona maro aho ary mampiasa ny fifandraisana voalanjalanja rehefa mifandray amin’izy ireo.”


Nilaza indray ny Mpanabe iray avy ao amin’ny faritra Atsimo-Atsinanana hoe : “Mampiasa fomba fiteny voalanjalanja aho izao rehefa mifandray amin’ny mpianatra.”


Nilaza koa ny Mpanabe iray avy ao amin’ny faritra Sofia hoe : “Mahay miresaka am-pilaminana aho izy rehefa mandray ireo mpianatra sy ireo ray aman-dreny ary ny manodidina sady tsy mora tezitra. Mahay manaja ny hafa ary mitazona tsiambaratelo koa aho.”





Lasa olon-dehibe azo itokisana kokoa eo anivon’ny sekoly sy ny fiaraha-monina 


Betsaka tamin’ireo Mpanabe ireo no nilaza fa lasa to-teny kokoa izy ireo ary lasa olon-dehibe mendri-pitokisana ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Nanampy azy ireo hahomby sy hazoto kokoa izany. 


Hoy ny Mpanabe iray avy ao Menabe: “Tena mampirehareha ahy ny hoe lasa mifandray be amiko ny mpianatro ary tena tsapako fa matoky ahy izy ireo izao.” 


Izao koa no nolazain’ny Mpanabe iray avy any amin’ny faritra Androy hoe : “Nahazo fitokisana sy fahaizana mitarika bebe kokoa aho.”


Izao indray no nolazain’ny Mpanabe iray avy ao amin’ny faritra Sofia : “Lasa olona azo itokisana ny tenako, mpanolo-tsaina sady mpitarika. Mampazoto ahy handeha any am-pianarana izany satria tsapako ary hitako fa tena liana te hahita ahy ireo mpianatra.”


Fanabeazana ny zatovo momba ny fahadiovana mandritra ny fotoana fialantsakana


Lasa mahazo aina kokoa izao sady tsy sadaikatra ireo Mpanabe JL rehefa manabe ny zatovo momba ny fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana, ny fananahana ary ny zavatra tokony hatao raha iharan’ny herisetra. 


Lasa nitombo be ny fahaiza-manao sy traikefan’izy ireo amin’io lafiny io. Ho an’ny ankamaroan’izy ireo dia nandritra ny fiofanana ho lasa Mpanabe JL no fotoana voalohany tena nahafahan’izy ireo niresaka mazava sy an-kahalalahana ary tamin’ny fomba tsotra momba azy io. 


Nilaza ny Mpanabe iray avy ao Faritra Androy fa “nianatra momba ny fitaizana ny ankizy izy, nianatra momba ny fahadiovan’ny vehivavy rehefa règle ary nianatra ny momba ny taovam-pananahan'ny lahy sy vavy.”


Nilaza koa ny Mpanabe iray avy ao amin’ny Faritra Matsiatra ambony hoe : “Nianatra bebe kokoa momba ny fanabeazana ireo zatovo momba ny firafitry ny taovam-pananahan'ny zatovolahy sy ny zatovovavy aho ary lasa mahay manoro ny zatovo mahakasika ny fialantsakana.”


Nilaza ny Mpanabe iray avy ao amin’ny faritra Analanjirofo hoe : “Nahazoako fahalalana sy fahaiza-miaina amin'ny fitarihana ny zatovo mba hahay hitondra tena mandritra fialantsakana ny fanabeazana maha olom-banona.”




Dingana lehibe iray tena mahafaly sy mampirehareha ny nahavitana iny taom-pianarana miavaka iny. Inona indray àry no tanjona sy fikasana ho an’ny taom-pianarana ho avy?


Mahavaly tsara izany ny tenin’ity Mpanabe iray avy any amin’ny Faritra Sofia ity hoe: “Hifantoka amin’ny ny fampitomboana sy ny fanatsarana ny traikefa ananako aho. Hiezaka ihany koa hanatsara ny fahaiza-miresaka amin'ny mpianatra sy ray aman-dreny ary ny mpiara-monina andavanandro. Hanatsara ny fitondrako cours JL Ary mba ho lasa tena Mpanabe modely eo amin'ny CEG iasako.”

bottom of page