top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Modely malala-tsaina, miantoka ho avy mamiratra

Ny fialantsakana na ny mahazatovo dia tetezana tsy maintsy lalovan’ny olombelona rehetra, hialana amin’ny fahazazana ka hiampitana ho amin’ny fahatanorana.


Amin’io fotoana io dia miova ny vatana, ny saina, ny fihetseham-po vokatry ny tsirimpanentana voajanahary ao amin’ny olombelona. Manomboka eo koa no miseho ny olana madinidinika eo amin’ny zatovo.


Zava-dehibe araka izany ny fanohanana sy ny fanampian’ny ray aman-dreny, zoky na olon-dehibe malala-tsaina. Ny olon-dehibe malala-tsaina dia tsy mitsara fa mamakafaka sy mandinika aloha, ary mahay mandalanjalanja ny zava-misy. Mahay mihaino ihany koa ny olon-dehibe malala-tsaina, sady afaka mamporisika ny zatovo hizara sy hametraka fanontaniana mikasika ny fiainany.



I Dama dia anisan’ireo olon-dehibe malala-tsaina hanampy ny zatovo ho salama sy hitombo anaty tontolom-panabeazana azo antoka.


Mpiofana ho mpampianatra, miasa ao amin’ny CEG Vohitsaoka Ambalavao i Dama amin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity. Sady mampianatra ny taranja fototra kajy sy physique izy no mitondra ny fanabeazana feno mikasika ny fananahana.


“Tsy dia tena hoe nalala-tsaina sy nahay nifandray tsara tamin’ny mpianatra foana aho,” hoy i Dama.“Taloha aho efa mpampianatra FRAM. Nahatsapa aho tamin’izay fa tsy mora ny mampita ny lesona, eo koa ny fitantanana ny mpianatra. Matetika dia miteny mafy na manome morale kely aho ao ampianarana.”


Amin’izao fotoana izao, tsy mpampianatra fotsiny i Dama fa Mpanabe Jeune Leader ihany koa. Ary amin’io andraikitra io izy dia sady mpampianatra milay no maodely tsara ho an’ny mpianatra.


“Aty amin’ny CEG Vohitsaoka dia maka andininy amin’ny fanabeazana mikasika ny fiainana maha-tanora foana aho rehefa handamina ny mpianatro. Ohatra fotsiny ny fahaizana mihaino: Rehefa mila tsy hifantoka ny mpianatra amin’ny taranja kajy na physique dia ampahatsiahivako azy ireo ny hafatra manan-danja momba ny fahaizana mihaino. Rehefa somary matoritory koa ny mpianatro dia izy ireo ihany no mangantaka fanetsiketsehana hiverenan’ny fifantohana.”


Na dia mbola mpiofana aza i Dama dia manantateraka ampahavitrihana ny andraikitra maha mpampianatra azy ary manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy hanampy ny mpianatra ho tafita.


“Tsapako fa tena zava-dehibe izany amin’ny fampitana lesona satria na ny kajy na ny physique na ny fanabeazana feno mikasika ny fananahana dia ilaina pratika noho izany rehefa mifanakaiky amiko ireo mpianatro ireo dia mazoto izy mandray anjara sy mifanakalo hevitra, rehefa misy koa ny zavatra tsy azony dia sahy izy manotany.



I Dama dia mpitarika tsara ho an’ireo mpianatra sady fakan-tahaka ho an’ireo olona manodidina azy halalan-tsaina.


“Samy mampirehareha ahy daholo ny misalotra – ny fanamiana maha mpampianatra ahy na ny fanamiana maha Mpanabe Jeune Leader - ary afaka iantsoana ahy daholo na Mpanabe Jeune Leader na i Ramose DAMA. Mahatsapa aho fa ireo andraikitra roa isalorako ireo dia mifampiankina tanteraka satria tsy misy elanelana mihitsy izaho sy ny mpianatro ary afaka mifampiresaka sy mifanakalo hevitra tsara izahay … Nitondra fivoarana ho ahy amin’ny lafiny fanabeazana sy ny maha olona ny nahatonga ahy ho Mpanabe Jeune Leader. Inoako ary ekeko fa ireo andraikitra isalorako ireo dia tsy azo lavina fa manome ny mpianatra tsirairay ny fahaizana sahaza azy sy mamolavola ny maha olona azy ihany koa.




bottom of page