top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Misy raha ao mahafinaritra!


Rehefa mandeha miantsena iny i Lanja dia misy ankizy miresaka aminy eny an-dalana. Misy miaraka amin'ny Ray aman-dreniny dia atoron'ny ankizy ny Ray aman-dReniny i Lanja hoe iny izao JL Lanja mampianatra anay izao. Dia misy aza any an-trano any no mivoaka mijery hoe kay iny kay izao JL izao!”

- Tale, CEG Sandrandahy


Ny taom-pianarana 2016-2017 no nanomboka nisehatra tamin’ny sekoly tena ambanivohitra ny tetik’asa Projet Jeune Leader. Tany amboalohany dia sekoly dimy tao ambonivohitr’ i Fianarantsoa no niantombohana ary nitatra izany ankehitriny. Zatovo maro be amin’ny sekoly tena ambany ravinkazo maherin’ny 30 no lasa misitraka izany. Zava-dehibe ny fahafahana manitatra ny asa sy hamaly ny filan’ireo zatovo any ambanivohitra; ary hery lehibe nahafahana nanatontosa io fanamby goavana io koa ny fahavitrihana, ny fitiavana ary ny fandava-tena asehon’ireo Jeune Leader izay miasa any ifotony.


JL Ravaka, CEG Maneva

Jeunes Leaders maherin’ny 30 no manao ny ainy tsy ho zavatra, miasa-mandava taona sy miori-ponenana any ambanivohitra manatanteraka ny fandaharan’asa. Amin’ny maha ambanivohitra azy izay dia lavitra sy mideza tokoa ny tontolo misy azy ireo. Misy amin’ireo sekoly iasana no matetika saro-dalana amin’ny fotoana fahavaratra. Marina fa rehefa sarotra ny lalana dia mazàna atao hoe lavitra andriana ilay toerana ary betsaka ny zavatra mety hanahirana. Tsy nataon’ireto mahery fo ireto ho sakana velively izany fahasarotana izany.


Lalana mankany amin'ny CEG Andrainjato, CISCO Ambalavao

Nilaozana ny ray aman-dreny, ny fianakaviana sy ny namana aman-tsakaiza; ka ny faran’ny herinandro no afaka miakatra ny renivohitra. Maro koa ny zava-baovao tsy maintsy izarana. Vohitra sy tanimbary no mba faratazana ary ankizy milalao sy vorona aman-tsahona no mba heno mikiaka. Niova toy izany koa ny fandrindrana ny tontolo andro. Tsy maintsy mifoha maraina hanatratra ny fidiran’ny mpianatra, tsy maintsy mahandro sakafo mba hanana hery sy tanjaka hiatrehana ny asa, ary tsy maintsy matsaka rano na dia lavitra aza ny fatsakana. Maro ihany koa ireo fitaovana fampiasa andavan’andro manamora ny fiainana no tsy hita any. Misy aza ireo Jeune Leader no sambany vao niaina izany.


Na dia teo aza ny fandaozana ny ankany sy ny lafin-javatra tsy maintsy izarana dia tsapa fa manana fiainana vaovao sy fiaraha-monina mahafinaritra ireo Jeunes Leaders ireo. Tamana aok’izany amin’ny toerana misy azy avy ny tsirairay. Nandritra ireo fitsidihana matetika izay ataon’ireo Responsables Techniques Régionaux no nahafantarana fa ny zato isan-jato amin’ireo Jeune Leader dia tamana any amin’ny an-toerana iasany avy.


Ny anton’izany? Tena tian’izy ireo ny miriaria miaraka amin’ireo mpianatr’izy ireo. Toy izao no itantaran’i Jeune Leader Ravaka, miasa ao amin’ny CEG Maneva izany: “Tena tamana aty aho satria ny ankizy tena mahafinaritra be ahy indrindra ireo 6eme.”


Toy izany koa i Jeune Leader Fantary miasa ao amin’ny CEG Ankazoambo izay mizara fa: “Na lavitra aza ny toeram-piasana dia tsy olana io fa lasa motivation-ko ny mahita ireo ankizy sy mpampianatra ety amin'ny sekoly. Na dia vizaka aza dia tsy heno ny havizanana rehefa miaraka amin'izy ireo.


JL Gerard, CEG Iboaka

Rehefa tonga ny fivorian’ny Jeunes Leaders ao amin’ny faritra fatao isam-bolana dia mifanaretsaka ny efitrano fivoriana ireo Jeunes Leaders, samy maika te hitantara ireo zava-mahafinaritra niainany tany ambanivohitra sy tany amin’ny sekoliny niaviany tsirairay. Ireo rehetra ireo no manaporofo ny fitiavana te hanampy ny zatovo any ambanivohitra hahafantatra bebe kokoa amin’ny hiatrehany ny fiainany. Eo koa ny fahatsapan’izy ireo fa mila fahalalana ny zatovo any mba hanana ho avy tsara kokoa mitovy lanja amin’ny zatovo aty an-drenivohitra.


Izany indrindra no iderana manokana ireo Jeunes Leaders mahafinaritra izay miparitaka eny amin’ny sekoly rehetra, indrindra fa ireo izay nisafidy hatrany am-boalohany hanori-ponenana sy hiasa any amin’ny toerana ambanivohitra.


JL Sedera, CEG Ambohimanjaka
JL Tahiry, CEG Andrainjato
JL Felana, CEG Ibity

bottom of page