top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Vehivavy miara-miasa mitarika ny zatovo, miantoka ho avy mamiratra #IWD2021

Ny 8 Marsa no neken’ny iraisam-pirenena hankalazana ny andron’ny vehivavy. Marihana isan-taona io andro io hanomezana lanja ny hasina sy ny mahasarobidy ny vehivavy; sy hampiroboroboana ny zo ananany.


Amin’izao ankatokin’ny fotoam-pankalazana izao dia hitsidika ny CEG Ankaramena isika izay sekoly vaovao miara-miasa amin’ny tetik’asa Projet Jeune Leader tamin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity.


Eo amin'ny fiaraha-monina Malagasy dia mazàna ny lehilahy no mitana andraikitra ambony. Hita taratra izany ohatra amin’ireo Talen-tsekoly 45 mpiara-miasa amin'ny Projet Jeune Leader izay matetika lehilahy avokoa.


Na izany aza ho an’ny CEG ao Ankaramena dia vehivavy – i Madame Léonie – no Tale, mitarika, mandrindra sy mitondra ireo ekipa mpampianatra sy mpanabe ny zatovo ho lasa olom-banona. Vehivavy ihany koa ny Jeune Leader miasa ao amin’io CEG io dia i Olivia. Samy mbola tanora i Tale sy ny Jeune Leader; fa tena mahay miara-miasa sy mitovy fomba fijery tokoa; manome endrika tsara sy manana fahaiza-mitarika miavaka.



Vehivavy manana ny maha izy azy sy miavaka i Madame Léonie. Vao nianatra izy dia efa namiratra, nihoatra ireo fiheveran-diso amin’ny vehivavy ka hoy izy nitantara: “Tamin'ny izaho classe de 5ème, anisan’ny nampirehareha ahy ny nanaovako Rallye Mathématique […] Tamin'ny classe de 4ème koa nahazo faharoa tamin'ny fifaninanana kabary.”


Mbola tanora dia tanora tokoa izy izao mitazona andraikitra goavana izao, ary ny tena mahatalanjona dia izy no zandriny indrindra amin’ireo mpampianatra sy ny mpandraharaha ny sekoly izay entiny.


Tsy mifanalavitra amin’izay herin-tsaina ananany izay koa no ananan’i Olivia, Jeune Leader ao Ankaramena. Nanomboka niasa tamin'ny Projet Jeune Leader izy tamin'ny taon-dasa ary anisan’ireo navitrika indrindra. Sedra goavana no noraisiny sy tanterany, satria izy no Jeune Leader vehivavy niasa irery voalohany teny amin’ny CEG, raha Jeune Leader roa no tany amin’ny CEG hafa. Hatrany

ampiandohana dia nazoto sy nankafy ny asany izy. Namiratra tokoa izy tamin’ny fifaninana hiditra Jeune Leader indray ny taona faharoa ka izao miasa any amin’ny sekoly mpiara-miasa vaovao any ambanivohitra izao; mandritra ity taom-pianarana 2020-2021 ity.



Miara-miasa sy mavitrika amin’ny fanabeazana sy famolavolana ny zatovo ireto vehivavy mpitarika ireto. Singa iray mampiavaka ny vehivavy mpitarika dia ny fanaovany asa amin'ny fo.


Ohatra i Madame Léonie dia tsy mionona fotsiny amin’ny maha Talen-tsekoly azy fa tena mizaha akaiky ny olana mahazo ny zatovo any amin’ny sekoly iadidiany. Raha misy ankizy manana olana ohatra, tsy tazany any an-tsekoly dia vatrany ny manantona ny Ray aman-dreny mihitsy manao fanadihadiana sy

miezaka mitady vahaolana. Mikaroka ireo fomba rehetra hahatonga ny ankizy tsy handao ny sekoly izy.


Hany ka somebiseby ery izy rehefa naheno ny fiaraha-miasa tamin’ny tetik’asa Projet Jeune Leader. Mitantara izy hoe: “Tamin’ny fiantsoana Tale tamin’ny volana Octobre iny dia tena nahafinaritra be, tena hoe velompanatenana izany aho [… ] hisokatra indray ny vavahadin’ ny fandresena ny abandon scolaire amin’ny fisiany PJL.”


Rehefa tafapetraka ny fiaraha-miasa dia nataony vain-dohandraharaha ny fampidirana izany, na teo amin’ny mpampianatra entiny na teo amin’ny Ray aman-dReniny ao an-toerana. Nahitana taratra izany ohatra tamin’ny fiofananan’ny Ray aman-dReny notontosain'ny Projet Jeune Leader tao Ankaramena hanampiana azy ireo amin’ny fomba firesahana sy fitaizana ny zatovo adolatsento; satria nanampy betsaka izy ary nanatrika izany mihitsy.


Mazava fa lalimpaka tokoa ny fitiavany ny asa fanabeazana ny ankizy, amin’ny torohevitra omeny ny Ray aman-dReny: “Ny tokony hataon’ny ray aman-dreny dia ny maneho fitiavana; tsy ovana mihitsy ny fanehoana fitiavana tamin’izy mbola zaza na miova aza ny fitondratenany rehefa lasa zatovo izy.”



I Jeune Leader Olivia indray dia manana fahazotoana miavaka, manetsiketsika hatrany ny zatovo hazoto hankany an-tsekoly sy mizara hafaliana ho azy ireo. Rehefa tsy mampianatra ao an-dakilasy izy dia mahita zavatra homena ny ankizy foana, toy ny fampianarana dihy, ny kilalao sy ny vaky boky maro samihafa ary tena tia mifampiresaka sy mihaino ireo ankizy ihany koa.


Tratra ny tanjona apetrakin’ny Projet Jeune Leader hoe ho tamana ao an-tsekoly ny mpianatra; satria ao anatin’ny tamberina azo dia nanoratra ity mpianatra iray ity fa: “Mankasitraka anao Olivia […] Mahafaly anay ny kilalao, hira sy fananarana vitanao, fantatro fa fitiavanao anay no anaovanao toy izao anay.” Mandray anjara lehibe amin’ny fanantanterahana sy fihoarana izany sedra izany i Olivia.



Ankoatra izany dia notazominy hatrany ny fifandraisana mahafinaritra amin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny sekoly vaovao misy azy, sy ny fahaizana miara-monina amin’ireo Ray aman-dReny eo antoerana. Rehefa misy fiaraha-miasa ilaina dia tonga mavitrika ireto farany manotrona azy sy manampy azy ary dia tsy mahafoy mihitsy. Nilaza izao ny mpampianatra iray ao an-tsekoly fa: “Hafaliana ho anay

ny fisian'ny Projet Jeune Leader aty Ankaramena ka ny fitohizany hatrany no angatahinay. Eto ary dia mbola manamafy ny fitazomana ny mpiandraikitra efa aty an-toerana izahay.” Izany no manaporofo tokoa fa mahafapo ny fiaraha-monina napetrak’i Olivia teo aminy sy ireo mpiara-miasa.


Tsapa fa mahavita sy matanjaka ireto vehivavy ireto ary mendrika amin’ny andraikitra maha mpitarika azy. Ankoatra ny tanjona imasoan’izy ireo dia inoana fa ho maro be ireo mpitarika vehivavy ao aoriana kely ao satria izy ireo no halain’ny zatovo tahaka.


Eto dia fankasitrahana lehibe no atolotra azy ireo, nisafidy ny hihoatra sedra tokoa amin’izao fotoana fankalazana ny andron’ny vehivavy izao.

bottom of page