top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Asandrato ny feon’ny fiaraha-monina ifotony hiantoka ny fahasalaman'ny vehivavy

Ny andron’ny 27, 28 sy 29 Septembre 2022 lasa teo no nanaovana ny fihaonambe ara-tsiantifika iraisam-pirenena momba ny fahasalamana teto Madagasikara. Ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny ady amin’ny tazomoka no nifantohana tamin’ity taona ity.

Raha ny fahasalaman’ny reny sy zaza tokoa no resahana dia mbola mampivarahontsana ny haavon’ny tahan’ny fahafatesana. Nampahatsiahy ny Minisitra tao amin’ny boky mirakotra ny fihaonambe fa,


“Mampanahy hatrany ny toe-pahasalaman’ny reny. Ny ezaka natao tao anatin’ny roapolo taona lasa izay dia tsy nitondra afa-tsy fihatsarana kely teo amin’ny toe-draharaha, ny taham-pahafatesan’ny reny dia nihena avy amin’ny 426 ho amin’ny 408 isaky ny teraka velona 100.000."

- Pr Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, Ministre de la Santé publique


Mazàna, ny reny mbola zatovo sy ny zanany no tra-pahavoazana. Noho izany, ho an’ny tetik’asa Projet Jeune Leader ny lalan-tokana sady mahomby hisorohana izany dia ny fampiroboroboana ny fanabezana feno momba ny fananahana dieny mbola zatovo. Fanabeazana izay mamolavola ny zatovovavy sy zatovolahy hitombo ara-pahasalamana, handray an-tanana ny ho aviny, ao anatin’ny fifandraisana madio sy tomady ary ho afaka manapa-kevitra ny fotoana hananany taranaka na tsia sy hisafidy ny isan’izany.


Ny fametrahana io fanabeazana io any an-tsekoly izay miantoka ny androatokom-piainan’ny ankamaroan’ny zatovo no fomba tsara, mahomby, ary mora amin'ny fanovana ara-tsosialy hiantoka ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.


Sarotra anefa ny fidirana an-tsehatra sy ny fanatanterahana izany noho ny hasina ara-moraly sy ny soatoavina mametraka ny maha fady ny resaka fananahana, indrindra eo amin’ny tanora sy zatovo. Matetika dia toa anjorom-bala amin’ny sehatrin’ny fahasalamana ka maro ireo mpisehatra no nametra-panotaniana manoloana io fanamby io.

Tamin’ity fihaonambe ity ny fandaharan’asa Projet Jeune Leader dia naneho sy nizara paik’ady miavaka tamin’ireo mpisehatra maro nanatrika ny fihaonambe; paik’ady vaovao izay vao sambany natao na teto Madagasikara na eran’izao tontolo izao izay nahafahana nahazo ny fanohanan'ny fiaraha-monina sy ny sekoly ny fanabeazana feno momba ny fananahana eo amin’ny zatovo. Izany dia natao hampivoatra ny fanajana, ny fifampitokisana, ny fananana andraikitra ary ny fandraisana andraikitra ho an'ireo mpiara-miombon'antoka. Mahatonga azy ireo ho liana amin’ny fandaharan’asa izany satria mifanojo amin’ny filany sy ny lahara-pahamehany ny fandaharan’asa. Eo anatrehan’izany dia tsy mijanona ho mpitazana fotsiny izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny mpandray anjara fototra.


Ny vokatr’izany dia nahafahana nanitatra sy nampaharitra ny fandaharan’asa ho amin’ny fanovana ara-tsosialy ho an’ny tanora, tamin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana feno momba ny fananahana indrindra ny sekoly ambaratonga faharoa. Mahatsapa ho tompon’andraikitra ireo mpiara-miombona antoka ireo rehefa ny hetahetany, ny laharam-pahamehany no angatahina, raisina ary ampitomboina mandritra ny fanatanterahana ny fandaharan’asa ho an’ny fiovana ara-tsosialy.


Misy ireo mpiara-miombona antoka tonga nanatrika ny fihaonambe no talanjona ary nilaza ny fomba fijeriny mahakasika ity paik’ady vaovao ity. Anisan’ireo naneho ny heviny I Mme RAJOELINA Miary Toky, Assistant Technique Du Secrétaire Général MINSANP ary nilaza izy fa,

"Tsara be ilay initiative noraisina fa ahazoana ireo tena zava-misy eny ifotony ka ahafahana manatsara ny tetikasa efa misy na koa hamoronana fandaharan’asa vaovao. Vitsy ny maka ny hevitr’ireo fiarahamonina eny ifotony indrindra mahakasika ny fahasalamana ka tena tsara ity zavatra ity."

Raha afaka mahazo fanabeazana feno sy marina momba ny fananahana ny zatovolahy sy ny zatovovavy mandritry ny fitomboany ary volavolaina amin’ny fifandraisana tomady dia hihena ary mety ho foana ireo tarehimarika momba ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana ireo.


Raha "Aleo misoroka toy izay mitsabo" dia ilaina tanteraka ny fanohanana, ny fampiroboroboana sy ny fanaparitahana any an-tsekoly ny fanabeazana feno momba ny fananahana ho an’ny eto Madagasikara.



Tahiry sy Mihaja, mpiandraikitra ato amin'ny Projet Jeune Leader, manazava ireo paik'ady vaovao amin'ny mpisehatran'ny fahasalamana.

Tahiry Anjarasoa (PJL), Dr. Mamy Tiana Ranaivozanany (USAID ACCESS), Mihaja Raonivololona (PJL)


bottom of page