top of page
  • Writer's pictureProjet Jeune Leader

Hazo vanon-ko andry

Nitamberina tao an-tsaiko ny fotoana nianarako niaraka tamin’ireo JEUNES LEADERS.

I Andry no anarako ary 19 taona aho.


Tamin’ny taom-pianarana 2013-2014, fony aho kilasy 3ème tao amin’ny CEG de référence IDANDA, no nianatra niaraka tamin’ny Jeunes Leaders (JL). Nampitaina tamin’ny alalan’ny kilalao sy fanentanana maro samy hafa ny lesona rehetra tamin’izany, hany ka miramirana foana aho rehefa hoe hanao JL izany. Tsy andriko mihitsy ny fotoana hanaovana an’io taranja io.


Rehefa sendra nisy fotoana tsy nianarana ihany koa dia nahavatra ery aho nankao ao amin’ny COIN JEUNE. Tsy nijanona teo ny fahazotoako fa nandray andraikitra ho mpandrindra ireo mpianatra nilalao tao mihitsy aho. Nisy fotoana aza, ny hany anton-diako tao dia ny mba hiresadresaka amin’ireo JL.


Tiako ny nanampy azy ireo ary azo lazaina ho mpitarika kely aho tao an-dakilasy tamin’izany fotoana izany. Ilay JL antsoina hoe ‘’Soilihi” dia nandray ahy ho toy ny namana mihitsy. Ny fifaneraserana taminy sy ireo JL hafa dia nahatonga ahy haniry ny ho lasa toa azy ireo sy hanahaka ny toetrany. Tena nanintona ahy tokoa izany hoe ho lasa mpitarika izany. Tao amin’ny sekoly koa dia nataon’ilay talen-tsekolinay ohatra tsara foana ireo JL.


Tamin’ny fotoana nidirako teo amin’ny tontolon’ny asa dia nahare aho fa mandray animateurs-éducateurs ny tetikasa Projet Jeune Leader. Tanora 16, hono, no horaisina. Nitamberina tato an-tsaiko ireo kilasy fahiny niarahana tamin’ny JL, ireo tafatafa tamin’ny JL Soilihi ary ireo lalao natao sy andraikitra noraisina tao amin’ny Coin Jeune…


Tonga amin’izay ve ny fotoana hirosoako amin’ity sehatra efa nahaliana ahy hatramin’izay ity? Ho tanteraka amin’izay ve ilay fanirina tsy nety maty tato am-poko hanao JL?


Nampiahotra kely ihany anefa ny zava-nisy satria dia niisa 400 izahay tanora nilahatra hifaninana ho lasa JL. Tsy nataoko nahakivy anefa izany fa nampiasaiko ireo fahaizana norantovina fahiny ary nohamafisiko ilay fahatokisan-tena efa novolena tato amiko hiatrehana ireo sivana ilaiko lalovana. Mino aho fa hita taratra teny koa ilay hetahetako hanohy ny asan-dry Soilihi.


Afaka soa aman-tsara tamin’ireo dingana fifantenana roa aho! Aoka izany ny hafaliako nandre ilay vaovao fa isan’ireo voafantina hanaraka fanofanana ho lasa JL aho!


Nandritra izany fiofanana izany no nahatsapako fa tsy hanano sarotra ho ahy ny hampianatra satria efa nipetraka teo amin’ny toeran’ireo nobeazina aho. Ary dia izany tokoa no zava-nitranga rehefa nidina teny amin’ny kolejy: mora tamiko ny nampita ny lesona noho ilay izy efa niainako.


Tanteraka araka izany ny faniriako: lasa JL aho! Ambonin’izany dia niasa tao amin’ny CEG de référence IDANDA aho ny taom-pianarana 2018-2019, izay tsy iza fa ilay sekoly nanabeazan’ny JL ahy tamin’izaho kilasy 3ème.


Mahafinaritra ahy ny miresaka amin’ireo ankizy. Mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izy ireo aho rehefa manana fitokisana amiko izy, indrindra indrindra rehefa misy olana sedrainy. Sady tiako no voafehiko ilay asa.


Mbola JEUNE LEADER aty amin’ny CEG AMBOHIJAFY AMBALAVAO aho hatramin’izao. Anisan’ny zandriny indrindra tamin’ireo animateur–éducateur aho, ary tena tiako izany, ireharehako ny maha-JEUNE LEADER ahy.


Ny hazo, hono, no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara ka dia kopa-tanana kely ho an’ireo JL nanome ohatra tsara sy nampitsiry ny faniriana ho lasa mpitarika koa!




bottom of page