top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Lalao sy Fialamboly Mampivoatra sy Manitan-Tsaina



Teboka lehibe iorenan’ny tetik’asa Projet Jeune Leader ny famenoana ny banga amin’ny lafim-panabeazana. Ankoatra ny famoaboasana lohahevitra mahasoa omena mandritra ny taranja “Jeune Leader” dia mizara fialamboly ihany koa ny tetik’asa hisarihana ireo zatovo ho tamana any an-tsekoly.

Iaraha-mahita fa maro ny fotoana banga amin’ny sekolim-panjakana noho ny tsy fahampian’ny Mpampianatra na trano fianarana. Maro araka izany ireo zatovo no mijanona any an-tanana voatery manampy ny Ray aman-dreny amin’ny raharaha an-tokatrano, na manampy amin’ny fitadiavam-bola mihitsy aza amin’ny elanelam-potoana tsy ianarana. Misy koa ireo mijanona any an-tsekoly, ka mety mifampitaona amin’ny fihetsika tsy mendrika na mifampitarika amin’ny fitondran-tena mety hampidi-doza eny ivelan’ny sekoly.


Io lesoka io nefa no anisan’ny mampihoapapana ny fitsoahana an-daharana any an-tsekoly, satria lasa maro amin’izy ireo no tsy tamana any an-tsekoly intsony na voatery mandao ny sekoly noho ny fitondrana vohoka tsy fidiny.


Ny Projet Jeune Leader dia mahatsapa ho manana adidy goavana amin’ny fanampiana ireo zatovo hahatsapa ho tamana any an-tsekoly, izay toerana azony antoka sy hahafahany mahazo fanabeazana. Noho izany, ny “Jeunes Leaders” dia manome fialamboly maimaim-poana, mizara boky sy kilalao maro isan-karazany sady mahaliana sy manita-tsaina ary mifanaraka amin’ny taonan’ireo zatovo.


Araka izany dia ny fotoana banga eny anelanelan’ny ora fianarana na amin’ny fotoana tsy maha eo ny mpampianatra no anatanterahana izany, ny tapak’andro tsy ianarana kosa dia noraisin’ny “Jeunes Leaders” manokana ho an’ireo izay liana. Ireo “Jeunes Leaders” no manentana sy manara-maso ary mandrindra izany, mba ho voaaro sy ho voahaja ary dia ho afaka miala voly foana ireo mpianatra.


Ireo fandaharan’asa mahafinaritra ireo dia antony iray lehibe mambabo ny zatovo hazoto mankany an-tsekoly. Mpianatra iray avy ao amin’ny CEG Maneva (CISCO Vohibato), no nilaza fa:


“Lasa mazoto mianatra aho rehefa misy ny JL, satria ry zareo mampianatra brise glace sady manome fialamboly isan-karazany.”

Hita tokoa fa io fandaharan’asa io dia manokatra ny sain’ny mpianatra ho liana kokoa amin’ny fianarana. Ohatra amin’izany ny talen-tsekoly avy ao amin’ny CEG Anjoma (CISCO Ambalavao) dia niteny fa:


“Noho ireo fialamboly ireo … dia lasa falifaly ny kilonga ka izany no mampiova ny toetsainy any an-dakilasy. Ohatran’ny hoe lasa mihetsiketsika ny sainy noho izay, dia hoetina any amin’ny salle iny dia mihetsika ny sainy rehefa tonga any amin’ny salle handray ny lesona sy ny sisa any an-dakilasy any.”

Ireo rehetra ireo dia ao anatin’ny programan’asa ankapoben’ny tetik’asa Projet Jeune Leader miampy ny fampianarana sy ny fanomezana toro-hevitra mahasoa mba hiarovana ireo zatovo amin’ny fitondran-tena mampidi-doza, sy hahafahany ihany koa mihanoka ny zo amin’ny maha ankizy azy.


Tanjona lehibe ho an’ny tetik’asa ihany koa ny hahatonga ireo zatovo eny amin’ny sekolim-panjakana ireo ho tamana sy hahazo fanabeazana feno; amin’izay afaka hanatratra ny tanjona iriny izy sy hanana ho avy mamiratra any aoriana any.


Jeune Leader Anselme maneho ny peta-drindrina amin’ny fanentanana ny club de theatre isakin’ny alarobia tolak’andro (CEG Ambatovory)


Tabilao maneho ny emploi du temps ny JEUNE LEADER sy ny numero ny findainy, anentanany ireo Mpampiantra hiantso azy mialoha raha misy tsy fahatongan’ny mampianatra

(Salle de Profs, CEG Ankaramena)


Mpianatra mamaky boky avy amin’ny Jeune Leader rehefa tsy misy mpampianatra

(CEG Fandriana Centre)



bottom of page