top of page
  • Writer's pictureLaura Leeson

Manapaka ny tsingerin'ny fanararaotana ara-pihetseham-po miaraka amin'ny Hetsika Omena

"Mifamatotra sy mifameno tokoa ny asan'ny ONG Omena sy ny Projet Jeune Leader. Tena nilaina sy nanampy anay tamin’ny asanay tokoa ilay fiofanana." - “Jeune Leader” mpandray anjara amin'ny Fandaharan’asa Omena

Fahita eto Madagasikara ny fanararaotana ara-pihetseham-po. Maro ny ankizy malagasy izay vao kely monja dia misedra olana amin’ny lafiny ara-piheveran-tena, ara-pahasalamana ara-tsaina sy ara-pifandraisana noho ny fanararaotana ara-pihetseham-po mahazatra sy miafina izay iainan'izy ireo ao an-tokatrano, any am-pianarana ary eo anivon’ny fiarahamonina.


Ny “Jeunes Leaders” ato amin’ny ONG Projet Jeune Leader dia miasa mandava-taona eny anivon’ny sekolim-panjakana mampianatra, manoro hevitra, sy manolo-tsaina ary matetika izy ireo no manampy ireo mpianatra zatovo hiatrika olana mifandray amin'ny fanararaotana ara-pihetseham-po. Tsapan’ny tanora mantsy fa ny Jeune Leader ihany no olona atokisana sy azony angatahana fanampiana.



Vao haingana ny Projet Jeune Leader no nanomboka niara-niasa tamin'ny ONG Omena mba hanatsarana ny fahaiza-manao sy hanamafisana ny traikefan’ny Jeunes Leaders amin’ny ady amin'ny fanararaotana ara-pihetseham-po eo anivon’ny zatovo mpianatra.


Ny ONG Omena dia fikambanana tarihin’ny tanora izay miezaka ny hanapaka ny tsingerin’ny fanararaotana ara-pihetseham-po eny anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina malagasy. Manana fahaiza-manao manokana momba ny fanabeazana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po mifantoka amin’ny fisorohana ary mifototra amin’ny zava-misy, momba ny fanohanana ny fiarahamonina, sy momba ny fampiofanana.


Ao anatin’izany fiaraha-miasa vaovao izany dia nanome fiofanana sy nanangana vondrom-piarahamonina ho an’ireo Jeunes Leaders miisa 16 avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania ny mpampiofana manam-pahaizana sy mpanentana avy amin’i Omena.


Nianatra namantatra ny atao hoe fanararaotana ara-pihetseham-po sy ny vokatr’izany ireo Jeunes Leaders nandritra ny fiofanana voalohany natolotr’i Omena. Nanao fanazaran-tena tamin’ny fampiasana ny fitaovana sy resadresaka mifanentana amin’ny fanohanana ara-pihetseham-po, nandritra ny fivoriana in-telo miantoana nataon’ny vondrom-piarahamonina izay notarihin’ny mpanentana avy amin’i Omena.


Io fiaraha-miasa io ihany koa no nahafahan’i Omena nanitatra ny asa sy ny fiantraikany amin’ny famolavolana tanora mitondra fiovàna ivelan’Antananarivo Renivohitra.



Taorian'ny nandraisana anjara tamin'ny fandaharan'asan'i Omena dia nilaza ireo Jeune Leader fa nahazo fahatsiarovan-tena sy fahatakarana vaovao momba ny fanararaotana ara-pihetseham-po.

"Tena manampy ahy amin'ny asako ny fiofanana satria betsaka ny tranganà fanararaotana ara-pihetseham-po. Nahazo fitaovana aho tamin'ny fiofanana mba hahafahako miatrika izany sy hanamora ny asako."

Maro koa ny Jeune Leader no nilaza fa nanampy azy ireo hamantatra ireo toe-po samihafa sy hanandrana paikady vaovao handaminana ny fihetseham-po ny fandaharan’asan’i Omena – na eo amin’ny asany izany na eo amin’ny fiainany manokana.

"Nahazo fitaovana hifehezana ny adin-tsaina aho, sy hifehezana ny fihetseham-po".
"Manana fitaovana avy amin'ny vondrom-piarahamonina aho izao izay azoko ampiasaina hanatsarana ny fomba hanantonako ny olon-kafa izay niharan’ny herisetra ara-pihetseham-po."

Ny Jeunes Leaders sasany dia nankafy manokana ny nahafantarany bebe kokoa momba ny tenany, ny soatoaviny manokana, ary ny fomba fametrahana sy fanajana fepetra eo amin'ny fifandraisany amin’ny hafa.

"Nanova ny fitondran-tenako [ny fandaharana] ary nahafahako nahafantatra bebe kokoa momba ny tenako. Nampitombo ny fahazotoako izany, nanampy ahy hahita ny soatoaviko sy hamaritra ny tanjoko ary hametraka fepetra."


Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Projet Jeune Leader sy Omena dia tohanan’ny “Global Grant Competition for Advancing Peace and Security through Local-Level Social Cohesion” avy amin’ny USAID/Youth Excel. Ao anatin'ny hetsika fikarohana tohanan’ity famatsiam-bola ity, dia hanohy ny fikarohana mikasika ny fomba ampiasan'ireo Jeunes Leader ny fiofanana ho fanohanana ny olona iharan’ny fanararaotana ara-pihetseham-po izay mifototra amin'ny zava-misy ary ny vondrom-piarahamonin’i Omena eo amin'ny asany sy eo amin'ny fiainany. Manantena izahay fa ny fiaraha-miasanay sy ny zava-bitanay dia hanampy amin'ny fanapahana ny tsingerin'ny fanararaotana ara-pihetseham-po ary hahatonga ny fiarahamonina eto Madagasikara ho azo antoka sy tsy hisy herisetra.

 

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Hetsika Omena dia tsidiho ny tranokalany: https://www.omenamovement.org/.

bottom of page