top of page
  • Writer's pictureTahiry Anjarasoa

Talen-tsekoly sy Projet Jeune Leader: Miara-miasa sy mifanohana ho antoky ny hoavin’ny mpianatra

Raha tsiahivina dia sekoly vitsy tamin’ny faritra Mahatsiatra Ambony no niasan’ny tetik’asa Projet Jeune Leader tamin’ny taona 2013 niatombohan’ny tetik’asa. Nivoatra hatrany anefa izany ary ankehitriny dia efa miasa amin’ny sekoly 51 manerana ny faritra amoron’i Mania, Vakinakaratra ary Mahatsiatra ambony ny tetik’asa.


Ny talen-tsekoly no mpiara-miasa akaiky indrindra ny tetik’asa hatramin’izay. Tamin’ny taona 2018 dia nanatanteraka fivoriambe niaraka ny Projet jeune Leader sy ireo talen-tsekoly rehetra. Tapaka tamin’izay fa hisy ny fihaonana atao isakin’ny fiatombohan’ny taom-pianarana izay tarihin’ireo Responsable Techique Regionale amin’ireo faritra ireo.


Hanamafisana ny firaha-miasa sy hampahafantarana ny andraikitra no antony satria na ny tetik’asa na ny talen-tsekoly dia samy maniry ny hahatonga ireo zatovo mpianatra hanana ho avy mamiratra. Noho izany dia ny fifanatrehana mivantana no fomba tsara indrindra ahafahana mifanakalo hevitra sy manao rindra-ndamina ny asa sy ny andraikitra hanatratrarana io tanjona io.


Ny talen-tsekoly sy ireo Jeunes Leaders no tena voakasika ao anatin’izany, efa nisy izany tamin’iny taom-pianarana lasa iny ary tamin’ity taom-pianarana vaovao ity dia natao tamin’ny volana Aogositra lasa teo. Toy ny fanaon’ny tetik’asa Projet Jeune Leader dia tamin’ny alalan’ny atrik’asa mampandray anjara no nanatanterahana izany ary naharitra iray andro.



Izany dia nahafahana nampivondrona ireo talen-tsekoly mpiara-miasa avy amin’ny sekoly rehetra iasana na vaovao izany na ireo sekoly efa niarahana niasa hatramin’izay sy ireo Jeune Leader hanatanteraka ny asa. Nampahafantarina tamin’io fotoana io ireo andraikitra tokony ho raisin’ny talen-tsekoly manolona ireo Jeunes Leaders satria ireo dia mitovy amin’ny mpandraharaha rehetra feheziny ao amin’ny sekoly iandraiketany.


Noho izany dia manana fahefana feno ireo talen-tsekoly amin’ny fanohanana sy fanaraha-maso ny asan’ny Jeunes Leaders.



Eo anatrehan’izany dia ilaina koa ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Jeunes Leaders izay andrasan’ny talen-tsekoly tsirairay mba hampirindra tsara io fiaraha-miasa io.


Ohatra tamin’ny atrik’asa natao fanadihadihana tale sy Jeunes Leaders (Interview JL-Tale) fifampiresahan’ny Jeunes Leaders sy ny talen-tsekoly tsirairay izay nilazana momba ny toetra, na ny fomba fiasa, na ny zavatra hafa andrasan’ny roa tonta.


Nilaza ny Jeune Leader miasa ao amin’ny CEG Idanda fa:

“Ny zavatra andrasany tale amiko rehefa niresaka izahay dia aho mba hahay hifandray amin’ny mpiara-miasa sy ny mpampianatra, dia hahay haka ny fon’ireo mpianatra, tsy hiatsaravelatsihy fa raha ohatra misy olana dia miteny, raha misy koa zava-tsoa dia afaka zaraina amin’azy koa, dia ny farany sady lehibe indrindra dia nolazainy fa izy afaka manampy ahy foana na amin’ inona na amin’inona.”

Dia toy izany koa ny talen-tsekoly nilaza fa:


“Ny zavatra andrasan’ny JL amiko dia hitondra azy toy ny personnel rehetra, hanoro sy hiteny azy mivantana raha misy ny mety sy ny tsy mety ataony, tsy hihafahafa amin’ny fanomezana andraikitra ary hampahafantatra azy amin’ireo mpampianatra sy mpandraharaha rehetra any amin’ny sekoly sy ny Ray aman-drenin’ny mpianatra.”

Izany dia nampisy fifandraisana akaiky sahady ho an’ ireo Jeunes Leaders sy ireo talen-tsekoly izay tena hiara-hiasa akaiky.



Ankoatra izay manampy betsaka ny tetik’asa ireo talen-tsekoly amin’ny fampahafantarana ny tetik’asa hatramin’izay noho izy ireo mpiara-miasa voalohany indrindra noho izany dia nomena torolalana manokana izy ireo, hahafahan’ny manazava ny fisian’ny tetik’asa sy ny tanjony, amin’ireo mpiara-miasa hafa sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny sekoly.

Nofaranana tamin’ny fanaovan-tsonia ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny sekoly sy ny tetik’asa Projet Jeune Leaders izany.


Ireo rehetra ireo dia manamafy foana ny fifanohanana ara-piaraha-miasa mba hahafahana mahazo vokatra tsara amin’ny fanatratrarana ny tanjona iraisana amin’ny fanatsarana ny hoavin’ny zatovo.


Amoron'i Mania

Mahatsiatra Ambony

Vakinankaratra


bottom of page